Poa-basy miisa efatra no nanaitra ny mponina etsy Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy miisa fito no voatifitra. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo lasibatra, raha naratra mafy ny enina.
Nandriaka ny ra tetsy amin’ny fokontany Madera Namontana, afakomaly tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Niezaka namafa ireo ra niparitaka ireo ny mpivarotra tonga maraina, raha ny fanazavana voaray teny amin’ny manodidina. Lehilahy fito no voatifitry ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Mpiasa amin’ny orinasa iray etsy Soanierana, tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny tranga ireo voatifitra ireo, raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny fianakaviany, izay mpahandro sy mpikarakara sakafo avokoa ny ankamaroany. Toy ny mahazatra, mirava alina ary hamonjy fodiana izy ireo. Nanatitra ny iray tamin’ny mpiara-miasa izay monina eny Namontana izy fito. Nifanehitra tamin’ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily anefa taorian’izay. Nandray basy ireo polisy ka voatifitra izy rehetra. Voa mafy teo amin’ny lohany ny iray ka lavo. Samy voatifitra, nisy no voa teo amin’ny tanany, kibony, taovam-pananahany. Niezaka nanavotra aina ireo enina tsy maty fa maratra mafy.
Nisy nahitana fitaovam-piadiana
Etsy an-kilany, nanambara ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa nahitana fitaovam-piadiana ny sasany tamin’ireo voatifitra ireo. Nahazo antso vonjy miisa roa tamin’ny olon-tsotra ny polisy. Voalaza fa misy andian’olona mpanendaka eny an-toerana. Nidina an-tsehatra ny avy amin’ny vondrona manokana Unité d’intervention rapide (UIR). Nifanehitra tamin’ireo andian’olona ireo izay voalaza fa nisy nitondra fitaovam-piadiana. Nanoe baiko azy ireo mba hijanona ny polisy saingy tsy nanatanteraka izany ireto farany. Raikitra ny fifanjevoana ka nahatonga ny tifitra. « Efa nalaina am-bavany ilay olona voaendaka izay niantso vonjy ary nanamafy fa mitovitovy fihetsika tamin’ireo olona voakasika ireo ny nanendaka azy», raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Efa misy koa ny fanadihadiana anatiny atao amin’ireo polisim-pirenena izay nanao ny firotsahana an-tsehatra tamin’ity raharaha ity, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mino





