Hotanterahina ny 5 ka hatramin’ny 9 oktobra ho avy izao ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina poliomelita sy kitrotro, miaraka amin’ny fizarana vitamine A manerana ny Nosy. Zava-dehibe ny famerenana ny fanaovam-baksiny hampiakarana ny hery fiarovan’ny ankizy.
Tamin’ny taona 2018, nahazo ny «label polio free», na hoe, foana ny poliomelita teto Madagasikara isika satria tsy nisy tranga vaovao voatily nandritra ny telo taona farany (2015-2018). Taorian’izay nihena ny isan’ny olona vita vaksiny nefa ilay tsimokaretina mbola niparitaka teny an-tanàna. Maro ny Malagasy tsy mivoaka anaty lavapiringa fa mangery ankalamanjana. “Ireo olona tsy vita vaksiny no manaparitaka ilay tsimokaretina any amin’ny diky ka niverina indray ny tranga ny taona 2020 ka hatramin’ny taona 2023. Nisy ny vaksiny faobe am-polony notanterahina manerana ny Nosy. Vokatr’izay, tsy nisy tranga vaovao intsony ny taona 2024 sy 2025 teto amintsika”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo zaza sady lehiben’ ny Groupe technique consultatif pour la vaccination eto Madagasikara sady filohan’ny Comité nationale de certification de l’éradication de la poliomélite, Pr Ravelomanana Noeline, omaly, teny Andraharo.
Tamin’ity taona ity, nisy zaza iray voan’ny poliomelita indray ka izay no maha zava-dehibe ny famerenana ny fanaovam-baksiny faobe. Hotanterahina amin’ny herinandro ambony, amin’ny faritra
23 izany.
Raha tsy mbola tratra ny fatra ilain’ny olona tsirairay : efatra atete ao am-bava sy fatra roa atsindrona, mbola hisy hatrany ny tranga hiseho. Tokony ho ny 95% ny zaza latsaky ny 5 taona no mahazo ny fatra ilaina vao ho fongotra ny tsimokaretina. Hatramin’ izao, 70% mahery kely ny taha nasionaly amn’ny fandrakofana vaksiny miaro amin’ny poliomelita, amin’izao fotoana izao.
Roa ny tranga hita nanomboka ny fiandohan’ny taona, tany Sakaraha sy Toliara. Misy efatra ilay tsimokaretina eny amin’ny tontolo iainana ary nahatiliana enina hafa amin’ny zaza tsy misy trangan’aretina fa ny dikiny no nahitana izany. Avy aty Antananarivo io tsimokaretina voatily tany Sakaraha io ary efa nivezivezy efatra taona teto Madagasikara. Azo ambara, araka izany, fa efa miparitaka manerana an’i Madagasikara ny polio, hoy ny fanamarihany.
Vonjy





