Fampianarana teny anglisy : Maherin’ny 650 ireo nisitraka fiofanana

Nanao jery todika ny tetikasa sy fandaharanasa momba ny fampianarana teny anglisy ny sampandraharahan’ny serasera sy kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikanina sy ireo mpiara-miombona antoka. Miisa 650 mahery ny mpiasam-panjakana ambony sy mpampianatra ary mpianatra nisitraka fiofanana fanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny fikirakirana ny teny anglisy mifandraika amin’ny sehatra misy azy avy.
Mba hampahaleo tena azy ireo, ho afaka hampita ny fahalalany amin’ny mpianatra sy ny mpiara-miasa aminy hafa, ny fanohanana natao ho an’ny fampianarana teny anglisy ho an’ny fikambanana iray. Hanampy ireo Malagasy mpisehatra hiara-hiasa amin’ireo tetikasam-panjakana na tetikasa momba ny fanabeazana sy ny fandraharahana amerikanina izany. Hanampy ny roa tonta hiara-hivoatra amin’ny tsara kokoa ny fananana teny iombonana.
Nisongadina tamin’ity taona ity ny fiofanana teny anglisy ampiasaina amin’ny sehatry ny diplaomasia, ny asan’ny mpitandro filaminana, ny fampiofanana mpampianatra sy mpampiofana. Teo koa ny fihaonambe momba ny fampianarana teny anglisy, ny fandaharanasa Fulbright English Teaching Assistant (ETA) ary ny English Language Fellow.

Tatiana A

Partager sur: