Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny Fonjan’Ambalatavoahangy teo aloha, Zafilahy Vonjy Stephanson, sy ny Éducateur spécialisé d’ adminisitration pénitentiaire vaovao, Ratasontsalama Julien Jimmy Jux. “Telo taona sy 13 andro no nitantanako ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ary nandalo fotoan-tsarotra izany, noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa nateraky ny rivodoza Gezani”, hoy ny mpitantana teo aloha, Zafilahy Vonjy Stephanson. Nambarany fa nezahina nofehezina hatrany ny voafonja ary nohajaina ny maha olona azy ireo. Voatendry handray andraikitra hafa any an-drenivohitra ity farany. Efa nitantana ny fonjaben’i Tsiafahy ihany koa izy talohan’ny niasany tany ivelany. Nohamafisiny hatrany fa afa-po tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny rehetra ny tenany, indrindra tamin’ny fotoana nisian’ny gadra nandositra ny fonja vao tsy ela ireny.
“Efa hita ny herim-po nisy teo amin’ny mpitantana teo aloha. Saingy tsy ho latsa-danja amin’izany ny mpitantana vaovao », hoy kosa ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja, ny Inspecteur d’ administration pénitentiaire, Heriniaina Jean Luc. Izay tonga nanatrika io famindram-pitantanana io.
Sajo





