Fanazaran-tena ana habakabaka – Tafika frantsay: Nizara traikefa tamin’ny Tafika Malagasy

Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Mamitiana Ely, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny minisitra misahana ny Tafika frantsay, Catherine Vautrin. Nanome voninahitra ny fandraisana azy ny lehiben’ireo Etama­zaoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Démonsthène. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’­ ny Tafika roa tonta teny amin’ ny « Aerial Metric » Ambo­hibao, momba ny fanofanana hamehezan’ny Tafika Mala­gasy ny fampivoarana sy fampiasana ny haiady manodidina ny « drône ». Nisy ny fanolorana izany fitaovana izany sy ordinatera ary kojakoja maro ilaina amin’ny hetsika fampandrian-tany sy sarinady hiarahan’ny Tafika Mala­gasy sy Frantsay izay hotanterahina amin’ny taona 2027. Nanatrika izany ireo miaramila nisitraka fiofanana amin’ny fampiasana ireto fitaovana arifomba ireto.
Mialoha ity fitsidihana nataon’ny minisitra misahana ny Tafika frantsay ity, nana­trika ny fanazaran-tena ana habakabaka lehibe ataon’ireo fiaramanidina mpiady frantsay ao La Réunion, ny MFA, niaraka tamin’ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Rabemizana Toky, afakomaly. Nandritra izany no niakaran’ny minisitra tamin’ny fiaramanidina mpi­ady « Rafale 2 » izay nova­tsian’ny fiaramanidina Airbus A330 solika teny am-panidinana. Izao hetsika izao dia nifanindran-dalana tamin’ny andi­any fahafito amin’ny « Mi­ssion Pégase » na fanazaran-tena ana habakabaka ataon’ny Tafika ana habakabaka fran­tsay mba hanatevenan’izy ireo ny fahaiza-manaon’ny mpanamory sy hahafahana mandrefy ny tanjaka sy fahafahana mampiasa ireo fiaramanidina. Nanomboka ny 8 septambra 2026 lasa teo izany « Mission Pégase » izany ka namakivaky faritra sy kaontinanta maro.

Jean Claude

Partager sur: