Lalàm-pifidianana : tsy mandà fanitsiana ny Ceni

“Zon’ny depiote ny mitondra hevitra toy izany. Raha mahazo ny fankatoavan’ny maro anisa eny anivon’ny parlemanta mpanao lalàna izany, tsy afa-kanohitra izahay”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny mpanohitra ny hanitsiana ny andinin-dalàna momba ny Ceni. Lalàna no mametraka sy maniraka ny Ceni amin’ny asany. Rehefa miova izay lalàna izay, tsy maintsy miondrika eo anatrehan’ny lalàna manan-kery.
Miankina amin’ny tsirairay ny fikitihana lalàna ao anatin’ny zotram-pifidianana. Na izany aza, nisy solontenan’ny Ceni malagasy tany Seychelles, volana vitsivitsy lasa izay. Niaraka tamin’izany ny rafitra mpikarakara fifidianana aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Nomarihin’ny manampahaizana manokana iray fa tsy mety raha herintaona sy tapany alohan’ny fifidianana no kitihina ny lalàna. Raha misy finiavana hanatsara zavatra, mialoha an’izay fe-potoana izay no tokony hanaovana azy.
Notsiahiviny fa hivoaka amin’ny 10 avrily izao ny lisi-pifidianana vonjimaika, ma­nasa ireo mpisehatra rehetra hanara-maso ny Ceni. Ao anatin’ny fikatsahana ny fahamarinana sy ny fangaraharana izany. Izay no hahazoana tena mifototra amin’ny fandehan’ny asa.

Ilaina ny hevitry ny HCC momba ny datim-pifidianana

“Raha tao anatin’ny va­nim-potoana voafaritry ny lalàmpanorenana ny datim-pifidianana hoe 19 novambra hatramin’ny 19 desambra, tsy misy antony tokony ho nandefasana izany tany amin’ny HCC. Satria efa izay ilay izy”, hoy ny fanazavany momba ny hoe tsy tokony ho nakana ny hevitry ny HCC ny datim-pifidianana navoakan’ny Ceni. Naroso mialoha ny 19 novambra ny datim-pifidianana. Manafohy ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika am-perinasa izany. Ilaina ny hevitry ny HCC, fa efa nisy didy fakan-tahaka nitovitovy an’izay taloha. Anjarany ny manamarina na mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana iza­ny na tsia ny datim-pifidianana 9 novambra naroson’ny Ceni.

R. Nd.

Partager sur: