Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy ny moto miisa roa, ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Niseho teo Antanifotsy, Soanierana-Ivongo, ny loza. Raha ny fanazavana voaray, samy nandeha mafy ireo moto ireo izay notaingenana lehilahy roa ny iray. Nifandona izy ireo rehefa tonga teo amin’ny lalana somary miholaka. Nianjera ny moto ary nipitika sy nitsirara tamin’ny tany ireo olona teny amboniny. Vokany, naratra ary voa mafy teo amin’ny lohany avokoa ny tra-doza. Nezahina nentin’ny fiara mpitondra marary tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ain’ny roa tamin’izy ireo, raha mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Be Toamasina kosa ny fanintelony. Samy mpampianatra avokoa ireo namoy ny ainy ireo. Mpampianatra taranja Filôzôfia tao amin’ny Lycée Antanifotsy ny iray, izay nitondra ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Avy any Vavatenina fa milaravinahitra any Miandravato, lalana mandeha Mananara Avaratra kosa ny faharoa. Izay nitondra ny kodiaran-droa iray notaingenan’olon-droa.
Ankoatra izay, kamiao mpitatitr’entana iray hafa tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, ny alin’ny talata tamin’ny 10 ora. Nijanona teo Andasibe, somary lalana midina ity fiara be ity, saingy tapaka hisatra tampoka. Nitsororoka nidina ny fiara ka nifaoka sprinter iray nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Mbola nifaoka fiarakely iray taorian’ilay sprinter ihany. Vokany, olona telo tao anatin’ilay fiara mpitatitr’olona naratra. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly izy ireo.
Mino





