Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, nampiakatra ny paikadiny ny polisim-pirenena. Noho ny ezaka, nisy jiolahy iray matin’ny polisy teny Tanambao verrerie. Tafaporitsaka ny telo hafa. Nahatratra basy vita gasy iray sy bala 7,65mm miisa telo ilay jiolahy voatifitra. Fantatra nandritra ny fandalovan’ny fianankaviany tetsy amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be fa i Velondraza, 35 taona, ity matin’ny polisy. Nilaza ny havany fa vao tonga hila ravinahitra ao Toamasina izy ity. Olona avy any atsimon’ny Nosy. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana Cash point sy ilay vehivavy tetsy akaikin’ny tetezan’Ankirihiry, ary ilay mpivarotra kiraro tamin’ity fokontany ity izy.
Sajo





