Raharaha Gastro: Pizza Polisy iray nalefa eny Tsiafahy

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana nanampoaka basy ka nitarika faty olona teny Na­mon­tana. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana eo anivon’ny hery vonjy taitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa nisy olon-dratsy nanao fandrobana teny Na­mon­tana. « Natoron’ilay mpivarotra lasibatra ny lalan-kely nandosiran’ireo olon-dratsy », hoy ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana Ambaratonga voalohany. Nikaroka ireo jiolahy izay nandroba ilay mpivarotra tao amin’ny toeram-pisakafoana, araka izany, ny polisy. Nifanena tamin’ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Gastro­nomie Pizza tao amin’ny lalan-kely anefa ireo polisy ka nampitsahatra azy ireo. « Nisy tamin’ny polisy nanampoaka basy na dia efa nandohalika aza ireo mpiasa », hoy ny fanazavana voaray. Nihoa-pefy, araka izany, ny iray tamin’ireo polisy izay nanapoaka ny basy teny aminy ka antony nitozanana azy vonjimaika any am-ponja. Tetsy ankilany, nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpiasa teo anivon’ny Gastronomie Pizza Namon­tana izay voasambotra. « An­tony nidiran’ny mpitandro filaminana tao amin’ny orinasa Gastronomie teny Namontana kosa ny hisambotra ireo olona ahiana ho nandray anjara tamin’ny fandrobana » hoy ny fanazavana.

Tsiferana R.

Partager sur: