Miantso ny tomponandraikitra hanampy azy ireo hitady an’i Mahandry, zazalahy telo taona natao takalonaina ny fianakaviany, omaly. Novonoin’ny tsy mataho-tody ny rainy, naolana ny reniny, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba azy.
«Mbola tsy hita, mikaroka an’i Mahandry kely izahay fianakaviana amin’izao fotoana izao», hoy ny fanazavan’i Natolotra Mamiherimanda Sahondraniriana Eva, anabavin-drainy, omaly. Lasan’ny jiolahy ity zaza ity, raha ny fanazavana hatrany. “Natao takalonaina izy, taorian’ny namonoana ho faty ny rainy sy nanolanana ny reniny”, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity, izay anabavin’ilay namoy ny ainy, hatramin’ny fotoana nanoratanay.
Tsiahivina fa nalaina an-keriny nandritra ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Ankarinarivo Îlot Bodona, kaominina Soavina, distrikan’i Betafo, i Mahandry. Nidiran’ olon-tsy fantatra tao amin’ny tokantrano nisy azy telo mianaka, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 13 oktobra.
Voadaroka tamin’ny hazo teo amin’ny fihirifany sy tao amin’ny hatony ny rainy, araka ny fanazavan’ny anabavin’ny maty hatrany. Manaraka fitsaboana noho ny fanolanana ny reniny. Afaka nitantara ny nanjo azy izy, nandritra ny fifampiresahany tamin’ny fianakaviana. “Nihosotra arina ny tarehin’ireo nahavanon-doza”, araka ny fitantarany.
Fialonana?
Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary taorian’ny tranga. Nisy roa lahy tra-tehaka taorian’ny fikarohana. Nivoitra tamin’ny famotorana savaranonando fa mpiray tampo, saingy samy hafa reny ny maty sy ny iray tamin’ny voasambotra. «Nahavita trano sy manana milina fitotoam-bary ilay nisy namono. Ahina ho fialonana no antony namonoana ilay lasibatra», hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra eo anivon’ny zandarimaria Betafo. Miandry ny fivoaran’ny famotorana ny hamaritra ny tena zava-misy. «Tsy naka na inona na inona izy ireo fa namono sy nanolana ary nitondra ny zaza nandositra », araka ny fanampim-panazavana.
Ahina ho niditra avy amin’ ny varavarana tao ambony rihana ny olon-dratsy. Nihanika lavarangana izy ireo. Very hevitra tanteraka ny fianakavian’i Mahandry, ankehitriny, araka ny antso avo ataon’ny fianakaviana. “Manaitra ny tomponandraikitra izahay mba hanampy amin’ny fikarohana ny zanakay », hoy ny fanamafisan’ny anabavin’ny rain’ny zaza. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ny renin’i Mahandry, niharan’ny fanolanana. Efa nalevina afakomaly ny vatana mangatsiakan’ny rainy.
Tsiferana R.





