Nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ny roa lahy mpivarotra rongony ikoizana eny amin’ny fokontany Antanandrano, afakomaly. Manoloana ny laza ratsy hananan’io toerana io, amin’ny fisiana mpivarotra rongony, izay antsoin’ny tanora hoe daboka, nidina ifotony ny mpitandro filaminana izay notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra miasa ao Ankadikely. Nofandrihana ireo mpivarotra ilay karazan-java-mahadomelina. Sarona ny lehilahy miisa roa. Nahatrarana rongony efa voatsinjara tamin’ny fonosona 114 isa teny amin’ireto farany. Amidin’ izy ireo amin’ny sandany 1 000 Ar ny iray amin’ny fonosana. Mitotaly 1 kg ny rongony tra-tehaka teny amin’izy roa lahy. Nasitrika tao ambany ravin-kazo ny entana. Nogiazana ireo zava-mahadomelina ary nentina natao famotorana izy roa lahy. Hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Tsiahivina fa tafaroboka amin’ny fidorohana ireo karana rongony miparitaka manerana ny Nosy ny tanora. Matetika, miteraka fahasimbana eo amin’ny fahasalaman’ny saina ho an’ny tsy mahazaka izany. Etsy ankilany,lasa miankindoha tanteraka kanefa tsy manam-bola hanefana ny vidiny izy ireny. Manaotao foana toy ny mangalatra sy manendaka ireto farany avy eo.
Tsiferana R.





