Ny ankizy no ampianarina ny fomba mahomby ho firosohana ny areti-mifindra amin’ny fanasana tanana miaraka amin’ny savony. Niverina ny fanentanana ataon’ny orinasa Savonneirie tropicale any an-tsekoly momba ny fahadiovana.
Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana miaraka amin’ny savony, omaly, nitondra fanentanana ho an’ny mpianatra eny amin’ny EPP ankorondrano ny orinasa Savonnerie tropicale. Hanamafisana ny fihetsika fahazarana manasa tanana ho antoky ny fahasalamana hisorohana ny areti-mifindra samihafa izany. Natokana ho an’ny mpianatra (4 hatramin’ny 16 taona), 470 isa, eo anivon’ny EPP ny hetsika. Nitondrana fanazavana momba ireo aretina mety ho azo rehefa tsy mahatandrina ny fahadiovan’ny Tanana, toy ny areti-pivalanana, lagaly, tefoedra… ny fotoana.
Nohazavaina koa fa tena ilaina ny manasa tanana amin’ny rano madio sy savony mialoha ny sakafo sy aorian’ny fandehanana any amin’ny toeram-pivoahana. “Hetsika fanao teo aloha ny fanentanana eny anivon’ny sekoly toy izao fa nisy fiatoana ary niverina indray ankehitriny”, hoy ny tomponandraikitry ny orinasa mpamokatra savony sy ny kojakojam-panadiovana Savonnerie tropicale.
Nikarakara kilalao mifandraika amin’ny fahadiovana koa ny mpanentana. Narahina fizarana savony Nosy sy fanampin-tsakafo ho an’ny mpianatra ny fanentanana. Savony atoron’ny mpiasan’ny fahasalamana fa azo ampiasaina amin’ny fidiovana isan’andro ny savony Nosy.
“Tafiditra amin’ny taranja Fanabeazana ho olom-pirenena vanona (FOV) izay taranja vaovao ho an’ny taom-pianarana 2026-2027 ny fahadiovana sy ny fahasalamana manomboka amin’ny akany fibeazana hatramin’ny T5. Mandray ny fahadiovana sy ny karazana aretina koa ny taranja Science et téchnologie (SVT teo aloha) ary mbola tafiditra amin’ny taranja malagasy ny fahadiovana sy ny fahasalamana”, hoy ny talen’ny EPP Ankorondrano, Rakotoarisoa Hajaniaina Hortense.
Vonjy





