Fandaminana ataon’ny kaominina: Nitokona ny mpivarotra teny Mahazoarivo

Nidina an-dalambe, sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana, tetsy Ambohimihandra mihazo ny lalana mankany Mahazoarivo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandaminana napetraky ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ireo mpivarotra ireo, ka niroso tamin’izao hetsika izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa nisy fifampiresahana teo amin’ izy ireo sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina An­ta­nanarivo Renivohitra, afakomaly. « Voalaza nandritra ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta fa havaozina sy hamboarina ny tsena », hoy ihany ireo mpivarotra nitokona ireo. Nambaran’izy ireo hatrany fa efa nisy ny famoahana ny devis izay hanaovana sy hanatsarana ny tsena. Niroso tamin’ny fanesorana azy ireo anefa ny kaominina omaly, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany.
15 isa ireo mpivarotra nesorina tamin’ny toerany, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. « Efa nandritra ny 15 taona izy ireo no nanao ny asa fivarotana teny an-toerana ary tsy mbola nisedra olana tahaka izao », hoy ihany ny fanazavana. Nohamafisin’izy ireo fa manaiky ny fanadaminana izy ireo fa mitaky ny fifampiresahana eo amin’ny tomponandraikitra. Notsindrin’ireto mpivarotra nanao hetsika fitokonana ireto fa manelingelina ny lalan’ny Praiminisitra no heverina ho antony hanalana azy ireo. Mangataka ny fanazavana ny antony hanalana azy ireo, araka izany, ireo mpivarotra eny an-toe­rana.

Mino

Partager sur: