Saron’ny polisy teo am-pidorohana sy teo am-pamarotana zava-mahadomelina ny andian-dehilahy am-polony tao amin’ny fokontany Namontana, omaly. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny polisin’ny UIR fa misy lehilahy maromaro mivorivory anatin’ny toerana somary malomaloka ao amin’io fokontany io. Nidina ifotony nanao fisafoana teny ny polisy. Nanatanteraka paikady manokana tsy ahafahan’ireo ahina ho mpiray petsapetsa amin’ity tranga ity izy ireo. Vokany, voasambotra ny lehilahy miisa 19. Tsy nisy afa-nandositra tanaty elakelan-trano ireto farany noho ny hakingan’ny polisin’ny UIR izay nanao ny fisamborana. Nahatrarana rongony efa voatsinjara tamin’ny fonosana mitotaly 142 teny amin’ireo lehilahy ireo.
Manao asa ratsy toy ny fanendahana sy fanafihana ireto olon-dratsy ireto rehefa maizina ny andro, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fisavana azy ireo, mampiasa fitaovam-pifandraisan-davitra toy ny Twalki-Walki izy ireo ahafahana mifanome vaovao anatin’ny segondra vitsy monja. Ny mpiambina manokana izay mitily eny ivelan’ny tanàna no mampiasa an’io fitaovana io. Mampilaza mialoha ireo namany izay any anatin’ny trano izy raha toa ka misy ny polisy mihaodihaody eny an-toerana. Nentina natao famotorana avokoa ireo voasambotra. Marihina fa mateti-pitranga ny asan-jiolahy sy fanafihana teny amin’iny faritra Anosibe sy Namontana iny tato ho ato. Manohy ny famongorana azy ireny ny ekipan’ny polisy eny an-kianja.
Tsiferana R.





