Hotontosaina anio, any Tanzanie, ny lalao mandroson’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Youngs Africans SC, ekipa tanzanianina. Fihaonana tafiditra amin’ny dingana faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, “Ligue des Champions Caf 2027”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, efa vonona tanteraka ireo mpilalao. Ny mpanazatra ny CFFA, Rajaonarisamba Franck koa efa nilaza fa tsy maintsy hanome izay fara heriny izy ireo mba hahazoana ny fandresena.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa niatrika fanazaran-tena tany an-toerana, nandritra izay telo andro nahatongavany izay izy ireo. Ampahafantarina ihany fa mbola voatazona anatin’ity ekipa ity ireo mpilalao nanatevina ny CFFA. Anisan’izany ry Tendry, Fabrice, Andy, Rado be, mpilalaon’ny Disciples FC, sy ry Fitahiana sy Tony, ao amin’ny Elgeco Plus.
Ny 21 oktobra ho avy izao, any Tanzania ihany no hanaovana ny fihaonana miverina eo amin’ireto klioba roa tonta ireto. Tsara ny mampahatsiahy fa raha tafita eo ny CFFA, hahazo lelavola 7 hetsy dolara na 3 miliara Ariary sady hiatrika ny lalao isam-bondrona ho an’ny LDC Caf.
Fitia Randria





