Omaly, nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina ireo Malagasy mpitsara baolina kitra notarihin’i Mohamad Abdillah, mpilalao sady mpitsara fahiny. Nambarany fa mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny baolina kitra malagasy ka tsy fanakorontanana no ataon’izy ireo fa fifanandrifian-javatra fotsiny amin’ ny fandalovan’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fifa sy ny Caf eto Madagasikara ka hiantsoany vonjy. «Anisany iharan’ ny antsojay sy ny sotasota ary tsindrihazolena ny mpitsara. Be loatra ilay vola ao anatin’ny rafitra fitsaram-baolina, tsy azo nandritra ny telo taona», hoy izy. Nohamafisiny fa tsy tokony hitondra federasionina ny olona manana ekipa satria lasa misy teritery ho an’ny mpitsara izany. Ankoatra izay, misy fikorontanana amin’ny fitantanana ny fitsaram-baolina sy ny federasionina ka samy manao izay tiany hatao. Vahaolana aroson’izy ireo ny fifampiresahana, saingy manidy varavarana ny federasionina. Mitaky ny fivoriamben’ny mpitsara manerana ny Nosy, hametraka lalàna anatiny sy ny fitsipi-pifehezana, hahazoana mametraka aro ho azy ireo ny Malagasy mpitsara baolina kitra.
Tompondaka





