INDRAY MIJERY

« Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza ». Io ny lohahevitra entina hankalazana ny “Octobre rose” amin’­ity taona ity. Eny amin’ny kaominina Bema­soandro Itaosy no hanaovana ny fanamarihana, ny
23 oktobra ho avy izao. Hisy fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy, entina hanamafi­sana ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ ny tranonjaza.

Nijery ny fanohizana ny asa fanorenana ny oniversiten’Antsohihy ny minisitry ny Fampianarana amba­ratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tamin’ity herinandro ity. Orinasa vaovao no mandray ny asa. Nifanaiky ny rehetra fa hanara-maso akaiky ny fanatanterahana izany. Taorian’izay, nihaino ny hetahetan’ny mpianatra ao amin’ny Institut Uuniversitaire de technologie et d’agronomie de Mahajanga (Iutam) ao Antsohihy, ny minisitra.

Mikarakara Salon de l’étudiant nanomboka omaly ary hitohy anio, ny oniversiten’i Toamasina, ran­tsana ao Vatomandry. Hanomezana torolalana ho an’ ireo olona manana mari-pahaizana bakalorea, ha­haizan’­izy ireo misafidy ny oniversite hanohizana fianarana izany. Tanjona ny hanampy hisafidy ny sampam-piofanana arahina rehefa hianatra amin’ny oniversite sy mamantatra ireo karazan’asa mifandraika amin’ny
fianarana hatao.

Partager sur: