Ny sabotsy teo, olona telo namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Maty voahitsaky ny kamiao ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato Andrefana. Maty tery tao anaty fiara izay nifandona tetsy Ankadindramamy, ny roa hafa.
Mateti-piseho ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tato ho ato. Lehilahy sy renim-pianakaviana namoy ny ainy, nandritra ny fifandonan’ ny fiara miisa roa, tetsy Ankadindramamy, afakomaly tamin’ ny 5 ora sy sasany maraina. Niseho tsy lavitra ny tobin-tsolika Total, ny loza. Noho ny hamafin’ny fifandonana, lehilahy iray izay nitondra ny fiara Peugeot 106 no maty tsy tra-drano. Tery tao anatin’ny fiara izy io, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Ankoatra izay, vehivavy bevohoka tao anaty fiara, izay nipetraka teo amin’ny seza aloha ihany koa no tsy nahatsiaro tena. Nentina haingana nnamonjy hopitaly izy taorian’ny loza, saingy tsy tana koa ny ainy, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsiahivina fa fiara Kia Sorento avy any Ampasapito, hiakatra ho any Mahazo no nihavian’ny loza, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny tranga. Nandeha mafy io fiara io ary nangalatra ny ankavian-dalany. Nandritra izany izy no nifaoka fiara Peugeot nifanena taminy, izay nidina avy any Mahazo. Noho ny hamafin’ny dona, tafahodina tanteraka ny fiara voadona ary pempo tanteraka ny lohan’ilay fiara lasibatra.
Nahenoana fofon’alikaola
Nahenoana fofon’alikaola ny mpamilin’ilay fiara Sorento nihavian’ny loza, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana. Taorian’ny loza, notanana natao andrimaso ny mpamilin’ilay fiara Kia. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity raharaha ity. Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Entanina, araka izany, ny mpamily rehetra mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hisorohana ny loza tahaka izao.
Mino





