Mpitondra moto nisongona : Lehilahy maty voahitsaky ny kamiao

Ankoatra izay, lehilahy iray 60 taona, nitondra moto routière, no maty tsy tra-drano, voahitsaky ny kamiao tetsy Anosizato Andrefana, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ ny 6 ora hariva tany ho any. Niseho teo amin’ny arabe tsy lavitry ny fiantsonana taksiborosy Manalalondo ny loza. Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, nisongona tao anatin’ny fitohanan’ny fiara nisy teny an-toerana io mpitondra moto io. Izay avy any Ampitatafika ary hihazo an’Anosizato izy tamin’izany. Nianjera anefa izy ary voahi­tsaky ny kodiarana aorian’ilay fiarabe, izay nifanena taminy ny lohany. Vokany, potika tanteraka ny lohany ary nipari­­taka naneraka ny arabe ny atidohany. Nipitika ny aroloha nanaovany. Marihina fa nandeha irery tamin’ny moto ity raim-pianakaviana tra-doza ity. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena. Taorian’ny fanadihadiana savarano­nando nataon’izy ireo, naka sy nanatitra ny razana teny amin’ ny tranom-patin’ny HJRA Am­pefiloha ny avy amin’ny BMH. Notanana natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay mpamilin’ ilay fiarabe, taorian’ny tranga. Atolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny zandary avy ao Ano­sizato, miandraikitra ny raharaha.

Mino

Partager sur: