Nivory, ny faran’ny herinandro teo, ny fikambanana 15 eo anivon’ny oniversiten’Antsiranana sy ny OMC, ny préfecture, ny procureur, ny tale kabinetran’ny ary ny mpitantana ny oniversiten’Antsiranana manoloana ny savorovoro noho ny fizarana ny trano vaovao.
Manoloana ny savorovoro niseho ao amin’ ny oniversiten’Antsiranana, eo amin’ny samy mpianatra, nivory ny OMC élargie ary nandray fanapahan-kevitra ho fitandroana ny filaminana ao amin’ny oniversite sy ny manodidina. Hajanona ny fizarana ny trano vaovao, anton’ ny korontana. Miato vonjimaika koa ny fampianarana sy ny fikarohana ao an-toerana mandra-piverin’ny filaminana sy ny fahafenoan’ny fepetra ahafahana manohy ireo asa ireo. Mikatona vonjimaika koa ny faritry ny oniversite, ahafahana mitandro ny filaminana ka entanina ny mpianatra hamonjy ny toerana niaviany.
Tsy azo atao ny mivezivezy ao, nanomboka ny 16 octobra tamin’ny 7 ora hariva. Tsy azo atao koa ny mitaona entana mivoaka any ivelany na miditra ao anatiny, ahafahana manavaka ny mpanararaotra. Hentitra ny fitandroana ny filaminana manomboka izao, ahafahan’ny vahoaka manodidina ny faritry ny oniversite hiverina amin’ny fiainana andavanandro
Niaraka nivory ny mpitandro filaminana telo tonta, ny mpitantana ny oniversite sy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny lehiben’ny Faritra. Tsy handefitra ny fitondrana amin’ ny mpanararaotra ny savorovoro.
Tapaka fa mitsahatra ny disadisa ao amin’ny oniversite Antsiranana ary mampitandrina ny mpitarika ny ady sy manaparitaka vaovao tsy marina ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny fikambanana 15. Handraisana fepetra hentitra avy hatrany izay mandika izany. Voalazan’ny fanambarana taorian’ny fivoriana fa ny mpitantana no mampita ny andro hiverenan’ny fampianarana eo anivon’ny oniversite.
Rava avokoa ny vondrona rehetra tsy ara-dalàna ka ny fikambanana 15 “originaire” sy “pédagogique” irery ihany no miteny amin’ny anaran’ny mpianatra sy manankery eo anivon’ny oniversiten’Antsiranana. Hampiharina ny fifanajana eo amin’ny samy mpianatra sy ny rafitra misy rehetra.
Vonjy





