FJKM Anosivavaka: Feno 50 taona ny STK

Nomarihina ny alahady teo ny ivon’ny fankalazana ny jobily volamenan’ny Sampana tanora kristianina (STK) FJKM Ano­sivavaka. Ny sabotsy, fankalazana notarihin’ny STK Synao­dam-paritany Antananarivo Andrefana SPAA 10, ka nifanotronan’ireo STK manerana ny synaodam-paritany sy ireo olom-panjakana isan-tsokajiny.
Niarahana tamin’ireo kristianina tao an-toerana izany, izay notarihin’ny raiamandreny mpitandrina sy ny biraon’ny fitandremana. Marihina fa misy ny tsangambaton’ny jobily dia ny fanavaozana ny vavahadim-piangonana izay niaraha-niasa tamin’ny fitandremana. Eo koa ny fanavaozana ny efitra
fivorian’ny STK ao amin’ny Lycée protestanta Anosivavaka (salle 18). Manampy ireo ny fampitaovana ny sampana amin’ ny fitaizana ny mpikambana, toy ny fanamafisampeo, efitrano misy internet, sns. Ankoatra ireo, ny tsangambato olona dia ireo tanora marobe mpikambana ao amin’ny sampana tanora kristianina FJKM Anosivavaka.
Tohin’ny fankalazana ny hetsika, hisy Antsa fisaorana izay ataon’ny STK sy ny raiamandreny mpitandrina Rakotomanoa Alain Richard ary ny VOG, ny alahady 25 oktobra. Tantara an-tsehatra ny volana novambra, ary hamaranana izany ny Comédie musicale ny volana desambra.

Tatiana A

Partager sur: