Nahazo fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny baolina kitra malagasy. Fandaharanasa Fifa Forward. Afaka ampiasaina ho fanomanana ny ekipam-pirenena ny ivontoerana teknika nasionaly eny Carion. Na izany aza, tsy mbola afaka handraisana lalao iraisam-pirenena.
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tany Nandihizana Carion, ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ivontoeram-piofanana teknika ho an’ny baolina kitra. Fandaharanasa Fifa Forward ary vola 2, 71 dolara izay avy amin’ ity farany no nanavaozana sy nanamboarana izany. Nandefa hafatra tamin’ny horonantsary ny filohan’ny Fifa, Gianni Infantino. Niarahaba sy nankasitraka ary naneho ny fiombonam-pon amin’ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny vahoaka malagasy ny tenany, amin’izao fahazoana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izao. Satria, nahazo ny «certification » Fifa Quality Pro ny kianja, izay voalohany nisian’izany eto Madagasikara. Toerana natokana ho an’ny ekipam-pirenena, ahitana «gradin» mahazaka mpijery 600, efitrano fianarana sy fatoriana. Trano fidiovana sy fitsaboana. Miampy efitrano fivoriana ary toerana fanabokonana hozatra. Amin’izao fanombohana izao, miofana sy manoman-tena ao ny Barea U15. Nangatahin’ny filohan’ny Federasiona, Andriamanampisoa Alfred, tamin’ireo mpanolotsain’ny Fanaovazana, nisolo tena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hanitarana ny toerana hahazaka mpijery 12 000 hahazoana fankatoavana amin’ny Fifa ka hahafahana mandray lalao iraisam-pirenena. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana, omaly, ny filohan’i Afrique sy Caraibe eo anivon’ ny Fifa, i Gelson Fernandes sy ny minisitry ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain. Ankoatra ity ivontoeram-piofanana ity, notokanana omaly ihany koa ny Fifa Arena Ampangabe. Lany nandritra ny fivoriambe ny sata mifehy ny baolina kitra, taorian’ny fanintsiana ireo teboka vitivitsy. Anisan’izany, ny fampitomboana ny isan’ny mpifidy amin’ ny fifidianana manomboka ny taom-piasana 2031.
Tompondaka





