Ny tsy mamindra tokoa toa mihemotra. Marina izany satria ny olona tsy mandeha fa mijanona am-pitoerana dia tsy lasa lavitra fa songonan’izay mandeha. Voaporofo ao anatin’ ny fifaninanana amin’ny fanatanjahantena izany. Ity tontolo ity izay tsy hita izay ilazana azy eto Madagasikara na mandeha na tsia. Tsy taranja ho an’olon-tokana fa eo koa ny iraisana. Mamalan-kira avokoa ny ankamaroany. Ny tsy mitondra vokatra efa zary mahazatra ny maheno azy. Ny mahazo fandresena, toa ahitana pentina sy tsininy hatrany. Ny iraisana aloha, olana ara-bola. Ny vola tokoa no hozatry ny fiainana ary tsy mizotra amin’ny tokony ho izy io, rehefa tsy eo ny vola. I Kotomainty no naka ka i Kotofotsy no takina.
Mandresy ny tsipy kanetibe, takin’ny sasany ny vola azo tamin’ny fandresena fa toa tsy mifanaraka amin’ny hatsembohan’ireo tena niady teny an-kianja fa ireo mialokaloka fotsiny no mitavana ireo volabe azo. Dia mifandrirarira eny ka mifampitoroka etsy sy eroa. Resy ny Makis, takina ireo tambin-kasasaran’ny mpilalao izay nampanantenaina. Ny mpitsara baolina kitra, manangam-bovona fa tratry ny tsindrihazolena sy ramatahora lava izao raha mitaky ny karamany sy ny volany. I Kotomainty no naka ka i Kotofotsy no takina. Maro no azo ambara fa ireo aloha no tsy mahavita manasa ny lambany ao an-tokantranony fa maneho ny malotony ho hitan’ny olona ety ivelany. Tsy hita intsony izay haleha fa mikitaotaona avokoa izay diavin’ny tongotra ka atahorana handratra. Tsy mety tokoa raha i Kotomainty no naka ka i Kotofotsy no
takina. Toy ny vavabasy izy ity ka izay hidirany ihany no hivoahany.
Tompondaka





