Ratsy ny vokatra ho an’ny CFFA, teo amin’ny lalao mandroso, anatin’ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Ligue des champions Afrique », taranja baolina kitra. Nomontsanin’ny Young Africans Tanzanie, tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, mantsy izy ireo. Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Azam Complex Stadium ao Dar-es-Salam. Tsy nisy nanam-po io isa io ny rehetra. Samy nihevitra ny mpanara-baovao fa hahatafiditra baolina ny solontena malagasy. Na izany aza, nanatombo teo amin’ny fifehezana ny kianja sy ny fitazomam-baolina ny Tanzanianina. 63 % izany ho an’ny Young Africans ary 37 % monja ny an’ny CFFA. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo, teo amin’ny minitra faha-39, tamin’ny alalan’i Cheikh Touré, rehefa votsotra teny an-tanan’i Gôly kely mpiandry tsatoby ny baolina. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 1 no ho 0 io. Fizaram-potoana faharoa, tsy hita tao amin’ireo mpilalaon’ny CFFA loatra ilay fahavitrihana sy fanafainganana lalao. Mbola nanampy isa indray avy eo ny Young Africans, teo amin’ny minitra faha-47, izay tafiditr’i Albert Kangwanda. Tsy nijanona teo fa mbola nampian’i Mudathir Yahia indray, teo amin’ny faha-54 mn nilalaovana ary nofaranan’i Maxi Nzengeli, minitra faha-59. Lavo tanteraka ny CFFA. Lalao miverina hotanterahina rahampitso alarobia any Tanzanie ihany. Sarotra nefa azo atao. Inoana fa hiezaka hanarina sy hanitsy ny lesoka ny mpanazatra.
Tompondaka





