Slalom – “XXL Last Race” : Hotanterahina ny 7 sy 8 novambra

Ny fifaninanana karakarain’ny klioba Auto sy Cross Car de Tana (ACCT) no manakatona ny fiadiana ny ho tompon­dakan’­i Madagasiakra 2026, taranja Slalom. Hotanterahina ny 7 sy 8 novambra ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Ampi­la­nonana Ambohimanga Rova. Andiany faha-23 iarahana hatrany amin’ny orinasa Star, miaraka amin’ny marika XXL. Nomena ny anarana hoe XXL Last Race by Carrefour izany. Io no nambaran’ny tomponandraikitra nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, teny Andraharo, ny zoma lasa teo. Noferana ho 50 ny isan’ny mpandray anjara, mitsinjara amin’ ny sokajy fiara, 4X4, Cross Car ary SSV. Hisy ny andrana ho an’ireo mpifaninanana, avy eo hitohy amin’ny tena fifanina­nana. Hampiavaka ity ny fisian’ny amboara «Bandy rangahy». Eo koa ny fandefasana mivantana amin’ny fahitalavitra lehibe ny vokatry ny fifaninanana ho an’ny sokajy Sénior. Ho fety be tokoa ny XXL Last Race satria hisy ny kilalao ho an’ny ankizy sy ny hirahira. Hamarana ny fotoana ny fanolorana ny am­boara ho an’ireo tompondaka nasionaly 2026.

Tompondaka

Partager sur: