Nifamaly tamin-janany vavy mamo : Jeneraly maty nitambotsotra teo an-tokotany

Nosamborina hatao fanadihadiana eny amin’ny zandary, ankehitriny, ny vehivavy iray 37 taona,
monina eny Ambohidrapeto, Itaosy. Ahina ho nahafaty an-drainy, jeneraly misotro ronono sy nandratra an-dreniny izy.

Maty tsy tra-drano ny jeneraly iray efa miso­tro ronono, tamin’ny alahady alina, tokony ho ta­min’ny 10 ora. Nitambotsotra tampoka, nianjera tamin’ny tany ilay raim-pianakaviana rehefa nifamaly tamin’ny za­nanivavy, efa 37 taona. Tao amin’ny fokontany Avaratse­na, kaominina Ambohidra­peto, distrika Antananarivo Atsimondrano, no nitrangan’izany.
Voalazan’ny fampitam-baovao, narahin’ny fanadihadiana teny ifotony, fa mamo ilay vehivavy. Nandrahona ny hamono ny iray amin’izy mi­vady ray aman-dreniny izy. Raikitra ny tabataba, nanaitra ny manodidina. Niditra an-tse­hatra ilay jeneraly. Nieza­ka ny nampitony ilay zanany izy mba hifampiresaka am-pilaminana, hisorohana ny fanakorontanana ny manodidina.
Raikitra ny fifampitaritarihana hatreny an-tokotany. Tsy na­hatsindry fo noho ny toaka ilay zanany vavy, araka ny ta­titry ny zandary. Vokatry ny fi­fandirana, nitolefika ilay ma­namboninahitra jeneraly. Tsy na­hatsiaro tena izy. Niezaka ny namelombelona azy ny vadiny, saingy tsy nisy azo natao.

Naratra ihany koa
Nandritra ny fotoana nialany nenina tamin’ny vadiny, mbola nodarodarohan’ilay ve­hivavy koa ny reniny, araka ny angom-baovao sy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Niakarapoka tamin’ny tany koa ilay ramatoa lehibe. Vo­kany, naratra izy. Folaka ihany koa ny foto-tsandriny. Nentina na­monjy ny hopitaly miaramila eny Soavinan­driana. Tsy misy ahina ny fa­hasalamany, hatramin’ny omaly.

Fijanonan’ny fo?
Raisina ho ahiahy ny maha tompon’antoka amin’ny fahafatesan-drainy ilay vehivavy fa tsy tompon’andraikitra mivantana akory. Fijanonan’ ny fo tampoka no voalazan’ny fizahan’ny dokotera, araka ny vaovao voaray. « Tsy misy fa­namafisana ara-pitsaboana milaza fa vokatry ny herisetra izany », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.
Taorian’ny fanangonam-baovao, nandritra ny fanadihadiana nataon’izy ireo, notanana vonjimaika natao fanadihadiana ilay vehivavy mamo. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: