Natelin’ny rano tao Mahambo : Mpianatry ny EPP hita faty

Nifampitaona mba hitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Mahambo ny tovovavy miisa enina, ny alahady 18 oktobra tolakandro.  Vao nilomano kelikely izy enina mirahavavy, akory ny hatairana fa nisy feo tokana niantso vonjeo tsy niverina intsony. Samy nikoropaka sy niakatra namonjy torapasika izy ireo. Tsy hita anefa ny iray izay tovovavy 14 taona antsoina hoe Saniah. Niantso vonjy tamin’ny olona manodidina, samy nikaroka an’io tovovavy iray tsy hita io avokoa ireo nanatri-maso sy ny mpanarato. Nampiasa ny harato lehibe mba hikarohana an’ilay tovovavy izy ireo. Niroso hatramin’ny toerana 1 km miala ny sisintany ireo mpanarato. Tsy nahitam-bokany izany. Nitohy ny fikarohana. Voasariky ny harato tampoka omaly vao mangiran-dratsy anefa ny nofo mangatsiakan’ity tovovavy mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ao Mahambo ity. Nakarin’ny mpanarato an-tanety ny vatany. Tsy nisy aina intsony ilay tovovavy. Lanin’ ny biby tao an-dranomasina ny molony, ny masony ary ny lelany. Marihina fa maro fady ny ranomasina ao Mahambo ka tsy mitovy velively ny ranomasina izay mahazatra ny besinimaro ao Foulpointe. Ilaina hatrany ny fitandremana ho an’ireo mpilalao rano sy manararaotra miala sasatra.

Sajo

Partager sur: