Maty nisy nanindrona antsy teny Itaosy, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, i Marcy Christo, tovolahy 21 taona. Raha ny fanazavana voaray tamin’ny reniny, omaly, manao taxi-moto izy, ary matetika manao izany asa izany amin’ny alina. “Betsaka loatra ny mpanao taxi-moto amin’ny atoandro, moramora ny hanenjehana versement amin’ny alina ka anton’ny safidy”, hoy ihany izy. “Tamin’ny sabotsy tamin’ny 3 ora maraina teo, niantso ahy tamin’ny laharana findainy io zanako io, saingy lehilahy tsy fantatro no niresaka tao”, hoy ihany ny fanazavana. Nanontany ny momba ahy ilay olona hoe: inona an’ilay tompon’ny finday aho? Hafahafa ilay olona niresaka tao anaty finday nandritra izany. “Taorian’ny antso, naniraka namana nijery an-janako tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha avy hatrany aho satria izaho mipetraka any Mahajanga”, hoy ihany izy. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra no hita tao. Tsindron’ antsy miisa valo tao amin’ny lamosina no hita teny aminy. Very ny moto fitondrany miasa, mbola teny aminy ny finday sy ny “porte feuille”. Monina sy mipetraka etsy Ampamarinana, Mahamasina, ity tovolahy nisy namono ity. “Olona tsotra ary tsy manana olana amin’ny fiarahamonina izy. Tsy mbola nitory ny fianakaviana fa hiatrika ny fandevenana izay hatao any Mahajanga, ny alarobia izao. Mitaky ny rariny sy hahitana ny nahavanon-doza ny fianakaviana. Nahantona ivelan’ny trano ireo akanjo nihosin-dra mba tsy ho afa-maina izay tompon’antoka tamin’izao vono olona feno habibina izao. Mbola notazomina any amin’ny mpitandro filaminana hanaovana fanadihadiana ilay finday.
Mino





