Nokasaina haondrana : Vato sarobidy 117 isa tratra tetsy Ivato

Sarona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny vato sarobidy miisa 117, nokasaina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Teratany sinoa iray no tratra nitondra ireo. Mitaky ny hanovana ny ekipa manao kolikoly ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.

Mitohy ny fahatrarana harena sarobidy kasa­ina haondrana any ivelan’i Madagasikara. Omaly, vato sarobidy manodidina ny 117 isa no sarona teny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, ny Kly Ran­dria­nirina Michaël, omaly, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Ivato. Tratra nitondra ireo vato sarobidy ireo ny teratany sinoa iray. Raha ny fanaza­vana nataony hatrany, mpiasan’ny Agence national anti-fraude (Anaf) no voalaza fa nahatratra ilay teratany sinoa sy ireo harena sarobidy nokasaina haondrana. Efa misokatra, araka izany, ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, mahatratra 100 taonina isan-taona ny volamena miainga eto Mada­gasikara mankany Dubaï, raha ny nambaran’ny filohan’ ny Fanavao­zana ny Repoblika hatrany.

Ovay ny ekipa
Misy ny fanaovana kolikoly amin’ny famoahana ny volamena sy ny vato ary ny harena sarobidy eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Manoloana izany, miantso ny hanovana ireo ekipa eny an-toerana ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara. “Ovay ny ekipa ety, ny Douane, Paf, Bianco”, hoy izy. Aza iandrasana ela. « Esory ny tompon’andraikitra rehefa tratra amin’ny resaka kolikoly ankoatra izay naha­vita nanatratra ny vato saro­bidy», hoy ihany izy. Namba­rany fa matoa mbola misy volamena sy vato ary harena sarobidy tafavoaka, tsy misy miady amin’ny kolikoly. “Tsy misy irika fanararaotra tahaka izao intsony hanovana an’i Mada­ga­sikara, satria ny filoha mihitsy no tsy tia kolikoly”, hoy kosa ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta, Rajaona­risoa Mamitiana. Nambarany fa natomboka omaly hariva
ny fanatanterahana ny baiko avy amin’ny filohan’ny Fana­vaozana.

Mino

Partager sur: