Fanomanana ny lalao Olympique (JO 2028) : Atleta valo mianadahy nahazo vatsim-piofanana

Mba hampirindra tsara ny fanomanana sy hahazoana miady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2028), hatao any Los Angeles, atleta valo mianadahy hisitraka vatsim-piofanana avy amin’ny Solidarité olympique.

Ho fanomanana ny lalao Olympika (JO 2028) tanterahina any Los Angeles, nivoaka ny anaran’ ireo atleta hisitraka ny vatsim-piofanana avy amin’ny Soli­darité olympique. Miisa 8 mianadahy izy ireo, avy amin’ny taranjam-panatanjahantena 6. I Sidonie Fiadanantsoa, avy amin’ny taranja atletisma. Raharinirina Jennifer Capriati ho an’ny Escrime. Rakotonan­drasana Yacinthe Angelo sy Rasoanaivo Laura ny an’ny Judo. Rakotoarimanana Fabio ho an’ny tenisy ambony latabatra(Ping-pong). Telo avy amin’ny fibatana fonjamby, ahitana an-dRakotomandimby Havotriniaina Joseph sy Ra­kot­onoely Tendry Tsiky Mahay Tia ary Soloniaina Malala. Marihina fa efa niatrika ny lalao Olympika 2024, natao tany Paris, ny telo amin’izy ireo dia i Sidonie sy Laura ary i Fabio. Mbola hitady ny tapakila hiatrehana ny JO 2028 kosa ireo dimy ambiny. Tsiahi­vina fa efa nanomboka ny volana septambra 2025 ny namoahana ity vatsim-piofanana ity. Ny fahazoana izany anefa tsy midika fa efa tafita any Los Angeles izy ireo fa hoentina manomana sy hiatrehana ireo fifaninanana iraisam-pirenena toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy maneran-tany ary ireo fihaonana hiadian-toerana ho an’io lalao Olympika io izany. Miten­tina 1 500 dôlara isam-bolana ny vola ho azon’izy ireo hiatrehana izany. Marihina fa tsy maintsy mandefa ny tomban’ ezaka ireo atleta any amin’ny komity Olympika iraisam-pirenena (CIO) ny komity Olym­pika nasionaly isaky ny efa-bolana. Hoesorina amin’ireo atleta tsy hahitana fivoarana na tsy mifaninana intsony na tratra amin’ny fandraisana fanafody mampatanjaka ny vatsy, ary homena atleta hafa mahafeno ny fepetra rehetra.

Tompondaka

Partager sur: