Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fifanintsanana dingana voalohany, ho an’ny taranja basikety “Road To Bal”, izay karakarain’ny Fiba Afrika, ao Hoima City, Oganda. Ho an’ny CosPN, solontenan’i Madagasikara, hifanandrina amin’izy ireo ny Urunani BBC avy ao Burundi. Fihaonana tafiditra anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona “D”, ho an’ny diviziona Atsinanana.
Tsiahivina fa naka mpilalao sangany nanatevina azy ny ekipan’ny polisim-pirenena. Anisan’izany ilay Angoley, i Jorge Filipe, mpilalao fahiny tao amin’ny Petro de Luanda, mirefy
2, 08 m, mitana ny toeran’ny “pivot”. Eo koa ilay Nizerianina, i Ikena Okeke, mirefy 2, 01 m, tao amin’ny Naestved Danemark “meneur”. Ireo toerana roa ireo no olana ho an’ny basikety malagasy, araka ny nambaran’i Tojo, mpanazatra, ka antony nakana azy roa lahy ireto. Ampahafantarina koa fa ankoatra ny Urunani BBC, mbola hidona amin’ny CosPN ny Namuwongo Blazers Ouganda, ny Patriots Basketball Club Soudan Atsimo.
Niala an-daharana kosa ny Ushundzi Basket avy atsy Comores. Tanjon’ny CosPN ny hiakarana amin’ny dingana manaraka “Elite 16”.
Fitia Randria





