« Ligue des Champions Caf » :  Hanala vela amin’ny Young Africans ny CFFA

Hiakatra an-kianja, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Azam Complex Stadium, Tanzanie, ny CFFA Andoharanofotsy. Hanao ny lalao miverina an’ny “Ligue des champions Caf”, izay hihaonana amin’ny ekipa mampiantrano, Young Afri­cans SC Tanzanianina, izy ireo. Tsiahivina fa mbola manao valin’ady ny Malagasy, izay efa resy, 4 no ho 0, tamin’ ny fihaonana voalohany. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ireo Mala­gasy mpilalao ary hiezaka hatramin’ny farany hitady fandresena, indrindra ny hahazoana ny tapakila amin’ny dingana manaraka. ” Tsy mbola vita ny lalao. Resy isika nanoloana ny Young Africans, saingy mbola manana 90 minitra mandritra ny lalao miverina. Ambony foana ny fanante­nana, mbola manana fotoana hanarenana ny vokatra ny solontenan’i Madagasikara. Mbola azo soratana ny tantara amin’ity”, hoy ny klioba CFFA tao amin’ny pejin’izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy fa raha mandresy amin’ny elanelan’ isa dimy na mihoatra ny CFFA, anio, hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana isam-bondrona ry zareo ary mahazo lelavola 7 hetsy dolara na 3 miliara Ariary mahery. Raha mihin­tsana eo izy ireo, 100 000 do­lara na 400 tapitrisa Ariary ny vola ho azon’izy ireo avy amin’ ny Caf.

Fitia Randria

Partager sur: