Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa Prirtem II, mifantoka amin’ny fitaterana herinaratra miainga eto Antananarivo mankany Antsirabe. Tanjona ny hampiakarana avo roa heny ny herinaratra vokarina, ka hisitraka izany ny 50%-n’ny malagasy amin’ity taona 2023 ity ary ho ny 70% amin’ny taona 2030.
Misy ny tetikasa hanatsarana sy hampitomboana ny famatsiana sy ny tanjaky ny herinaratra ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Nanomboka ny desambra 2020 ny tetikasa Prirtem I, nampitomboana ny famatsiana herinaratra miainga avy any Toamasina hatraty Antananarivo. Misy indray ny dingana faharoa, Prirtem II, avy eto Antananarivo hatrany Antsirabe Vakinankaratra. Natao, omaly, ny fampahafantarana ity tetikasa faharoa, natrehin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina sy ny ao amin’ ny Toekarena sy ny tetibola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Isan’ny asa hatao, ny fananganana ny andrimby (pylônes), mitondra ny tariby herinaratra 220 KV,mirefy 135 km, manana tanjaka 300 MW. Miainga eto Antananarivo, mandalo ny foibe Tana Sud III eny Behenjy, Antanifotsy ary Vinaninkarena Antsirabe. Misy koa ny fananganana milina manova herinaratra 220/90/20 KV any Antanifotsy sy Vinaninkarena.
Hisitraka herinaratra ny tanàna miisa 19 handalovany, ao anatin’ny kaominina Soanindrariny, Ambohidranandriana, Ambatomena ary Ambohimiarivo, ahitana mponina miisa 42.000.
Tanjona ny hisitrahan’ny 70%-n’ny malagasy herinaratra amin’ny taona 2030.
Asa 300 hiforona
Mitentina 83,982 tapitrisa U.C (Unité de compte) ny tetibolan’ny Prirtem II, na manodidina ny 100 tapitrisa euros. Mitarika azy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), miampy ny Koexim bank (koreana), ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) ary ny Vondrona eoropeanina.
Maharitra dimy taona ny asa, ka handeha amin’ity taona 2022 ity ny antso tolobidy ho an’ny orinasa hanatanteraka azy, ary hanomboka amin’ny taona 2024 ny tena asa. Miisa 300 ny mpiasa mivantana hiforona, ka vehivavy ny 20%.
Tsiahivina fa mbola ny 3%-n’ny loharanon-karena azo ahodina ho herinaratra avy amin’ny tohodrano eto Madagasikara, izay misy hatrany amin’ny 7.800 MW, ihany no mbola voatrandraka.
Njaka Andriantefiarinesy