Sakana ho an’ny fandrosoan’ny fiainan’ny vehivavy ny herisetra mahazo azy. “Eto Madagasikara, vehivavy iray amin’ny efatra no iharan’izany”, hoy Raharimamonjy Harivelo, mpikambana ao amin’ny Real Men Madagascar, ny zoma teo. Fanambarana nataon’ny fikambanana nandritra ny dinika momba ny fifanarahan’ny Vondrona Afrikanina ho fanafoanana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy (UA-CEVAWG), teny Antaninarenina. Nifantoka manokana tamin’ny fanovana toe-tsain’ny lehilahy enti-miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy ny lohahevitry ny hetsika. Nisongadina tao anatin’izay fa anisan’ny mampaharitra ny tranga ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina ny kolontsaina indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana. Mbola tsy ampy ihany koa ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny tranga. Antony mahatonga ny Real Men Madagascar mandrisika ny lehilahy hanana fomba fijery sy toe-tsaina miabo enti-miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Ankilany, nilaza ny mpikambana ao amin’ny Real Men Madagascar, Raharimanantsoa Solange, fa mbola tsy ampy ny famaritana ireo fiovana andrasana amin’ny lehilahy. Tafiditra ao anatin’izay ny andraikitry ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana izany. Eo ihany koa ny fepetra raisina amin’ireo lasibatra.
Henintsoa





