Billard – «Mondiaux 2026»  : Tsy mena-mitaha ny zava-bitan’ny ekipa vehivavy

Mitohy ao Bellville Velo­drome, Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ta­ranja Billard. Fifaninanana karakarain’ny International Black­ball Federation. Anisan’ ireo ao anatin’ny firenena 23 mifaninanana amin’izany i Madaga­sikara. Tsara aloha ny vokatra ho an’ny isan-tarika, vehivavy, izay efa nahavita “round 4” ka nahazo fandre­sena roa nanoloana an’i Irlande Avaratra, tamin’ny isa 15 no ho 10, teo amin’ny “round 1” sy nanoloana an’i Afrika Atsimo Police service, tamin’ny isa 20 no ho 5 teo amin’ny “round 3”. Resin’i Afrika Atsimo kosa teo amin’ ny “round 2” ary niondrika teo anatrehan’i Scotland, nandritra ny “round 4”. Ratsy kosa ny vokatra teo amin’ny isan-tarika, sokajy U23. Resy ha­trany tamin’ny fiatrehana ny “round 5”. Anisan’izany raha nidona tamin’i Afrika Atsimo A sy teo anatrehan’i Wales ary ny lalao nikatrohana tamin’i Afrika Atsimo B, 19 no ho 6. Tsy mbola tafavoaka ihany koa teo amin’ ny “Round 4 sy 5” raha nifanehitra tamin’i Afrika Atsimo C sy i Scotland. Teo amin’ny “senior” indray, resin’i Maurice 16 no ho 9 teo amin’ny “round 1” avy eo nandavo an’i Afrika Atsimo Police Service, 14 no ho 11, nandritra ny “round 2”. Resin’i Australie indray teo amin’ny “round 3”.

Torcelin

Partager sur: