12 tapitrisa Ar no vidiny : Azo soloina plastika ny vanin-taolana

Marary 15 hisitraka vanin-taolana artifisialy ao amin’ny CHUJRA. Mahatratra 12 tapitrisa Ar ny vidin’ny “prothèse” iray. Misy manampahaizana avy any Brest miara-misalahy amin’ny Profesora malagasy hanao ny fandidiana na ilay antsoina hoe: “arthoplastie”.

Saropady ny aretin’ny vanin-taolana. Lafo dia lafo ny fanoloana azy ho artifisialy ho an’ireo tsy main­tsy mila izany. Mitondra tolo-tanana ho an’ny marary 15 ny ekipan’ny manampahaizana iray avy any ivelany, tarihin’ny profesora Dubrana, sy ny Ortho­pédie sans frontière. “Mitentina hatrany amin’ny
12 tapitrisa Ar ny vidin’ny prothèse ho an’ny vanin-taolana misy fahavoazana”, hoy ny fanazavan’ny profesora Ra­zafimahandry Jean Claude, manampahaizana momba ny fitsaboana ny aretin’ny tao­lana sy ny vanin-taolana ao amin’­ny hopitaly CHUJRA. Efa nisy marary valo vita fandidiana sy fanoloana, hatreto. Mito­hy ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana ireo ma­rary efa voafantina hisitraka izany.
Ny arthroplastie dia mety hatao amin’ny valahana na lohalika na soroka sy ireo tonon-taolana hafa. Tsy voatery hosoloina prothèse foana izany fa misy karazana arthroplastie manamboatra na ma­nova ny firafitry ny vanintao­lana fotsiny. Fametrahana tonon-­taolana artifisialy, mety ho vy, plastika manokana na fitaovana hafa no hatao amin’ izany.
Efa hatramin’ny taona 2013 ny fiaraha-miasan’ny hopitaly sy ireo ekipa avy any ivelany. Andiany faha-14 no tanterahina ankehitriny. Naha­tratra 180 ny prothèse efa napetraka maimaimpoana niarahana tamin’ny ekipa.
Manana ny profesora ma­nam-pahaizana momba ny vanin-taolana isika eto Mada­gasikara. Tsy tokony ho variana amin’ny otra sy ny ody fana­intainana fotsiny rehefa misy tsy fahasalamana fa manatona azy ireny.

Tatiana A

Partager sur: