Nivoaka omaly maraina ny didim-pitsarana momba ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo sy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana teo aloha, Jean Nirina. Torak’izany ny mahakasika an-dRazaivola Raissa. Miandry kosa ny momba ilay ”Raharaha Boeing 777”.
Nosazin’ny fitsarana higadra 10 taona an-tranomaizina ny solombavambahoaka lany teny amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, omaly. Voatazona nandritra ny herintaona tany am-ponja taorian’ny nahavoasaringotra azy tamin’ny raharaha halatra tany teto an-dRenivohitra sy ny fanararaotam-pahefana ny tenany. Nivaly omaly ny fitsarana momba ity lazaina fa mpitondra tenin’ny vahoaka tamin’ny andron’ny fitondran’ny filoha teo aloha ity. Tsy tonga nanatrika, nandritra ny famoahana ny didim-pitsarana, izy. Ankoatra ny sazy mihatra, voaheloka handoa onitra 200 tapitrisa Ar ity solombavambahoaka ity. Tetsy ankilany, voatazona hanohy ny saziny mandritra ny dimy taona koa ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana teo aloha, Rafanomezantsoa Jean Nirina, izay sady mpitantana ny foibe Fitrama. Voampanga ho niray tsikombakomba tamin’ny fangalaran-tany teny an-toerana izy. Tsy vitan’io, voasazy noho ny fidirana an-keriny tamin’ny tanin’olona ity sefo fokontany ity. Lelavola mitentina 10,8 tapitrisa Ar ny onitra aloany. Olona fahatelo namoahan’ny fitsarana didy, omaly, Razaivola Raissa. Hisazy dimy taona miampy fandoavana lamandy 10,8 tapitrisa Ar izy.
Nahemotra
Ankoatra ireo, niroso tamin’ny fiatrehana ny fitsarana am-pahibemaso teny anivon’ny Tendrom-pitsarana manokana hiadiana amin’ny kolikoly (Pac) tetsy 67 Ha, ireo olona voasaringotra momba ny raharaha Boeing 777. Niatrika izany teny an-toerana, ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Ramonjavelo Valery sy ny filohan’ny Antenimerandoholona teo aloha, Jly Ravalomanana Richard, niampy an’i Kly Damasy, izay filohan’ ny Aviation civile de Madagasikara (ACM) tamin’ny volana jolay 2025 sy ireo olona hafa izay voatonona anarana tamin’ity raharaha ity. Nolavin’ny fitsarana ny fangatahana nataon’ny mpisolovava an’ireo voampanga. Ny filohan’ny ACM, Rakotoarisoa Alban, izay mitaky ny hamerenena ny famotorana mifandraika amin’ity tranga ity. Ankoatra ireo olona 38 voampanga, ahina ho mety hiampy ny isan’ireo voarohirohy.
Tsiferana R.





