Fisolokiana ana habaka : Sinoa 49 mianadahy nampodiana

Niampy 49 indray ireo Sinoa nalefa nody any Chine, ny alatsinainy 26 oktobra lasa teo. Nosamborina teto Madaga­sikara, taorian’ny asa fisolokiana ana habaka izy ireo. Tao­rian’ny nahatraran’ny mpitandro filaminana ireo teratany vahiny ireo, notazomina vonjimaika tany am-ponja izy ireo. Niroso tamin’ny dingana ara-pitsarana rehetra ny tomponandraikitra. Niditra an-tsehatra tamin’ny fikarakarana ireo mpiray tanindrazana aminy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Nandrindra ny mombamomba sy ny antontan-taratasy rehetra ary niantoka ny fandaniana rehetra mifandraika amin’ny fampodiana an’ireo Sinoa ny masoivohon’izy ireo. Naneho hatrany ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana malagasy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine mba hahafahana manohy ny famindrana ireo teratany sinoa hafa izay mamita sazy eto Madagasikara. Tsiahivina, andiany fahatelo ireto Sinoa 49 mianadahy nalefa nody any amin’ny tanindrazany ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: