Nialok’orana : Olona iray maty nilatsaham-potaka, 6 hafa naratra

Namono olona indray ny varatra tany Tanimbaritsara, kaominina Mahajeby, disitrikan’i Fenoarivobe, faritra Bon­golava, ny alatsinainy 26 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro tany ho any. Raha ny fantatra, olona fito, handeha hamonjy fodiana ka tafaraka teny an-dalana no niharan-doza, raha ny fanazavana voaray. Avy naka rofia tany an-tsaha ny dimy mianaka tamin’izy ireo, izay fianakaviana iray. Avy ny orana, nialoka tao amin’ny EPP iray tao anatin’ny fokontany Tanimbaritsara izy rehetra. Tampoka, nirefotra mafy ny varatra ka namely azy ireo, fotoana fohy taorian’ny nijanonan’izy ireo tao. Samy voan’ny varatra avokoa izy rehetra. Vokany, maty tsy tra-drano, noho izany, ny raim-pianakaviana manodidina ny 30 taona. Naratra mafy kosa ireo olona miisa enina ambiny. Taorian’ny tranga, efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly tsy miankina iray any an-toerana avokoa izy ireo. Efa tsy misy hatahorana ny ainy amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana.
Tonga teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana, avy hatrany ny zandary miasa any an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo raha vao naharay ny antson’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana, natolotra ny fianakaviana ny razana. Marihina fa zanaky ny filoha lefitry ny fokontany ao Tanimbaritsara ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity.

Mino

Partager sur: