TSELATRA

Ankizy iray maty voakaikitry ny alika tao Miadana, iray hafa tao Ambodivondava, kaominina Alasora. Ity farany izay mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Institut Pasteur Avaradoha, amin’izao fotoana izao. Miiba avokoa ny valin’ny fitiliana haromotana ta­min’ireo zaza ireo. Entanina ny tompon’alika mba hanao vaksiny ny biby sy tsy hamela azy ireny hirenireny.
Zazavavikely vao teraka no hitan’ny olona nisy nanary tany Ambohimenakely, kaominina Miandrivazo, disitrikan’i Tsiroanimandidy, afakomaly maraina. Mpi­vady nandeha nijery ketsa tany an-tsaha no nahita io zaza io. Mbola nisy tadim-poitra ilay zaza ary efa nisy mangana ny vatany no sady feno vitsika. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly taorian’izay ary avotra soa aman-tsara.
Olona miisa efatra no voasambotry ny Polisy teny Ambohipo Tanàna, ny 20 oktobra 2026 lasa teo. Voarohirohy tamin’ny fampiasana vola sandoka teo amin’ny toeram-pivarotana iray izy ireo. Vola mitentina 30 000 Ariary no nentin’izy ireo niantsena teny Ambohipo. Nampandre ny polisy ilay mpivarotra lasibatra ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy. Nadoboka vonjimaika am-ponja avokoa izy ireo tamin’ny 22 oktobra teo.
Ankizy roa, 11 sy 9 taona, nisy naka an-keriny no avotry ny zandary soa aman-tsara ny sabotsy 24 oktobra 2026 maraina. Nisy naka an-keriny ny sabotsy 17 oktobra 2026 lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambalasarety, distrikan’Amboasary Atsimo, izy ireo. Nahazo fitarainana mahakasika izany ny zandary Amboasary Atsimo ka nanao ny fikarohana avy hatrany. Nofitahina nokaramaina hanary fako ireto zaza ireto ka nentina nihazo tany amin’ny fokotany Helibondro.

Partager sur: