Iray amin’ireo fikambanana misehatra eo amin’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny zavakanto. 32 taona amin’ny herintaona no nijoro araka ny lalàna velona eto Madagasikara ny Zanabaliha. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa hisy ny hetsika hanamarihina izany. Iray amin’ireny ny fanitarana ny zavakanto sy ny kolontsaina ianarana eo anivony. Avy amin’ny alalan’ireo foibe sy toeram-piofanana ary ny olona efa novolavolain’ny Zanabaliha no hoenti-manatanteraka izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Tany amin’ny 5 taona lasa no efa nitsangana ny «Hariivo» na ilay foibe hoentin’ny Zanabaliha mampita fahalalana momba ny zavapanahy. Taona 2027, homena vahana lehibe ny «Hariivo» ka hovelarina amina toerana maro. Hisy ny famoahana ny voka-pikarohana avy ao amin’io sehatra io. Omena lanja ihany koa ny fivelarana amin’ny tontolo iainana hoenti-miatrika ny fahalalana momba ny zavaboahary.
HaRy Razafindrakoto





