23 taona nikarakarana ankizy sy tanora : Feno ny tolotra omen’ny Centre sembana mijoro eny Ambohidrano

Tanjon-dRazafindrakoto Lala sy Razafinjato Fela, mpivady, samy manana fahasembanana ara-batana ny hanova ny fijerin’ny fiarahamonina manoloana ny olona manana fahasembanana. Satria, tsy sakana ho an’ny fivoarana izany.

Porofo mivaingana amin’izany ny fisian’ny Centre sembana mijoro nanomboka ny taona 2003 hatramin’izao, ary mivelatra kokoa amin’ny fotodrafitrasa, any Ambohidrano.
Nifindra eny Ambohidrano, kaominina Sabotsy Nameha­na, distrika Antananarivo Avara­dra­no, ny Centre sembana mijoro mandray an-tanana ny fanabeazana ny ankizy sy tanora manana fahasembanana mavesatra (ara-batana sy ara-tsaina). Misy tolotra vaovao miaraka amin’ny fotodrafitrasa miorina amin’ny velarana 1 ha eny an-toerana. Efa nisy ny ki­lasimandry na­nomboka teny amin’ny toeram-pandraisana Ambohibao. Mbola mitohy eny Ambohidra­no izany. Ankoatra ny fanabeazana, nisy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny ankizy, ahitana koa ny sampana kinésithérapie sy ergothérapie. Ho fanampiana ny fivelaran’ny ankizy, napetraka ny musicothérapie. Farany, ho firosoana amin’ny fidirana anatin’ny asa, nananganana toeram-piompiana akoho manatody lava sy zaridaina ahazoana sa­kafon’ny mpitantana ny foibe, araka ny fanazavan’ny mpanorina, Razafinjato Fela, omaly.

Mpiray ombon’antoka roa lehibe
Eo ny Action de soutien à l’éducation et développement (Ased) avy any Suisse, manohana ny ivontoerana nanomboka ny taona 2015. Namatsy vola amin’ny 95% momba ny fividianana ny tany sy ny fananganana ny fotodrafitrasa ary ny fampitaovana rehetra noho ny fahatokisany azy mivady izy io. Eo koa ny Atidi izay misahana ny fiantohana any Kenya, nikarakara ny fahazoana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano amin’ny alalan’ny lavadrano (forage) hampiasain’ny ivontoerana.
16 ny ankizy raisina an-tanana ao amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, raha 40 ny fahafahana mandray. Mampi­hena ny fiankinandohan’ny ankizy hitondra amin’ny fahaleovantena momba ny fihetsika andavanandro no antom-pisian’ny foibe. Misy ny fandraisana anjara avy amin’ny ray aman-dreny fa afaka ma­natona ny mpitantana izy ireo momba izay.
Mizara telo ny kilasy handraisana ireo ankizy beazina ao amin’ny ivontoerana: Petite, Moyenne ary ny Grande section, ka ny fampianarana amba­ratonga voalohany no omena azy ireo miaraka amin’ ny mpanabe manokana. 15 ny mpanabe sy mpiasa mampihodina ny ivontoerana. Hoto­ka­nana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fotodrafitrasa eny Ambohidrano, iarahana amin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana.

Vonjy

Partager sur: