Tsy fialamboly fotsiny ihany ny « Star Tour ». Miara-dalana eny ny hetsika fanentanana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana, toy ny tetikasa « Kopakelatra ». Nahangona tavoahangy plastika maherin’ny 10 000 isa ireo ekipa nitety fokontany tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Sady nanentana ny mponina momba ny maha zava-dehibe ny fahadiovana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ihany izy ireo. Napetraka teny amin’ny toerana nanaovana ny hetsika, tao Tamatavy 501 ihany koa ireo « bac Kopakelatra » mba tsy hiparitahan’ny tavoahangy plastika sy hanamorana ny fanangonana azy, ka ho lasa akora fototra amina tetikasa hafa indray. Mahakasika ny fanadiovana ihany, vao vita ny fangoronana ireo fitaovana dia niroso tamin’ny fanalana ny fako rehetra ny ekipa, na teo amin’ny Esplanade Tamatave 501 izany na ny tao amin’ny Arena, afakomaly. Vita izay, mbola narahin’ny fanondrahana ny toerana nataon’ny Sampana mpamonjy voina ihany koa. Teo amin’ny lafiny asa sosialy, nizara rano sy vary ho an’ny akany fitaizana zaza kamboty miisa telo ao Toamasina ny Star. Fomba iray nanohizana ny fifampizarana sy ny firaisankina entin’ny «Star Tour» izany, lalan-tsaina efa napetraka hatramin’izay ka tsy voafetra teo amin’ny sehatra fotsiny fa tonga hatrany amin’ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana.
Zo ny Aina





