Fantatra afakomaly, tany Londres, renivohitr’i Angleterre, ny anaran’ireo mpilalao mendrika, lahy sy vavy, nahazo ny baolina volamena “Ballon d’Or” 2026, andiany faha-70.
Ho an’ny lehilahy, norombahin’i Harry Kane, Anglisy lohalaharana ao amin’ny Bayern Munich, klioba alemà, ny amboarabe rehefa nahavita taom-pilalaovana tsara nandritra ity taona 2026 ity. Raha ny fikarohana natao, omaly, izy no Anglisy fahadimy nahazo izany loka izany, taorian’i Stanley Matthews, ny taona 1956, i Bobby Charlton, ny 1966, i Kevin Keegan, ny 1978 sy 1979 ary Michael Owen, tamin’ny taona 2001.
33 taona i Harry Kane. Naharesy lahatra ny maro hifidy azy ny namonoany baolina betsaka indrindra, izay miisa 73, tamin’ireo lalao 65 vitany. Raha teo amin’ny klioba, voahosotra ho tompondakan’i Alemaina “BundesLiga” sy amboaran’i Alemaina, ny tenany ary nihintsana teo amin’ny manasa-dalan’ny “Ligue des Champions 2026”. Raha tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany indray no jerena, nahazo laharana fahatelo ry Harry Kane sy ny Three Lions, ekipa nasionaly anglisy.
Pao-droa…
Ankoatra izany, nanao pao-droa i Kane, tamin’ity lanonana ity. Mbola nahazo ny amboaran’ny lohalaharana mendrika indrindra “Trophée Gerd Müller”, ihany koa ny lehilahy. Ilay Espaniola, Lamine Yamal kosa no mpilalao tanora mendrika indrindra. I Unai Simons, Espaniola no mpiandry tsatoby mendrika. I Luis de la Fuente, teknisianina espaniola, nitondra ny La Roja, ekipam-pirenen’i Espagne no nahazo ny amboaran’ny mpanazatra tsara indrindra. Teo amin’ny sqokajy
vehivavy, mbola nalain’i Alexia Petullas, Espaniola milalao ao amin’ny FC Barcelone, klioba ao Espagne, fanintelony indray ny baolina volamena. Marihina fa sambany teo amin’ny tantara no natao tany Londres ny lanonana,
ho fanomezam-boninahitra an’i Stanley Matthews, mpilalao anglisy voalohany nahazo izany tamin’ny taona 1956.
Fitia Randria





