Basikety – “Alley Hoop 3×3”: “Ambony ny lentan’ny ankizy”, hoy i Jaytaxx

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Alley Hoop” andiany faha-8, basikety lalaovin’olona telo. Tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny BC Somava. Lavony teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 21 no ho 10, ny GNBC I. Lasan’izy ireo ny amboara sy ny lelavola 6 hetsy Ar. Ny Venom kosa teo amin’ny sokajy lehilahy, nandavo ny GNBC tamin’ny isa 14 no ho 12. Amboara sy lelavola 600 000 Ar ny lokan’izy ireo. Nilaza ny fahafaham-pony tamin’ny hetsika ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana (Jaytaxx), izay nahavory mpandray anjara 400. “Hita nandritra ity fifaninanana ity fa efa ambony ny lentan’ny ankizy raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa,” hoy izy. Tsara ny mampahatsiahy fa natao hitiliana ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Ankoay 3×3, hiatrika ny fifanintsanana “Africa Cup” izy ity. Nilaza ny mpikarakara fa azo heverina ny hanitarana ny hetsika any amin’ny faritra, noho ny fangatahan’ireo mpandray anjara maro.

Fitia Randria

Partager sur: