Filohan’ny Fanavaozana : “Sarotra sy mavesatra ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy”

“Sarotra sy mavesatra ary miadana ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy ka miteraka fahataran’ny fandrosoana sy kolikoly”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony tao amin’ny Akademian’ny filoha Rosia na Sekoly ambony famoahana mpiasam-panjakana na mpitondra ambony (Renapa), araka ny fanasana azony, tany Moscou, Rosia, afakomaly, no nilazany izany.
Lohahevitra ny hoe: “Ny fitantanan-draharaham-panjakana mampiasa ny teknolojia vaovao sy ny faharanitan-tsaina artifisialy”. Mila fanavaozana ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara. Izany no handefasana mpiasam-panjakana ambony malagasy hiofana sy haka traikefa any an-toerana. Ho mpiasam-panjakana na mpitondra ambony ho tia tanindrazana sy tsy manao kolikoly, hampandroso ny firenena ary hanova ny fitantanan-draharaham-panjakana nolovaina tamin’ny fanjanahantany ny tanjona. Noderainy ny fiaraha-miasan’i Rosia sy i Madagasikara. Ho feno 55 taona ny fifandraisana diplaomatika amin’ny taona 2027. Tsy manery ny fitondrana malagasy hanaraka ny politikany sy ny ideolojiany i Rosia fa mizara ny fomba fiasa mifanaraka amin’ny kolontsaina malagasy.
Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ny fihaonana an-tampony fahatelo Rosia-Afrika kosa ny fahavononan’i Madagasikara hanatevina ny fiaraha-miasan’i Rosia sy ireo firenena afrikanina. Laharam-pahamehan’ny fitondrana Fanavaozana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy angovo. Eo koa ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny asa ho an’ny tanora. Tanjona ny fiaraha-miasa mifototra amin’ny fifanajana sy ny tombontsoa iombonana ary ny fanajana ny fahaleovantenan’ny firenena tsirairay.

R. Nd.

Partager sur: