FANTINA sy FINTINA

Nampiakatra eo anivon’ny fitsarana tampony ao Maorisy indray Ravatomanga Mamy. Hanoherany ny fanapahan-kevitry ny « Bail and Remand Court – BRC » momba ny tsy fahazoany fahafahana vonjimaika misy anto-bola, araka ny didy, izany. Efa herintaona mahery izao no nisamborana sy itazomana azy am-ponja ao Maorisy.
Tsy misy mangarahara ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ny Gen Z, omaly. Mipetraka hatrany ny tsy fahatokisan’ny tanora ny Ceni, efa notakin’izy ireo teny an-kianja ny fandravana azy. « Hanara-maso ny zotram-pifidianana eto amin’ny firenena, manomboka izao, izahay Gen Z », hoy izy ireo.
Nahazo alalana hivoaka ny fonja vonjimaika ny depioten’i Mahajanga teo aloha, Rahantanirina Nina. Hahafahany mikarakara ny nofo mangatsiakan’ny zanany, matin’ny lozam-pifamoivoizana, ny alarobia lasa teo, izany. Nankasitraka ny fitondram-panjakana ny fianakaviany manoloana izany fanapahan-kevitra izany.
Nihaona sy nifampizara tamin’ireo mponina ao amin’ny Nosy Sakatia ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Notsiahiviny fa anisan’ireo sehatra nimasoany nandritra ny nitondrany ny firenena ny fanabeazana. « Ny fampianarana sy ny fanabeazana no anisan’ny fototra lehibe hanorenana ny hoavin’ny ankizy sy ny tanora malagasy », hoy izy.

Partager sur: