Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foiben’ny Orange Digital Center Soarano, ny valin’ny fifaninanana Boot Camp Impact Sprint iarahan’ny orinasa Orange Madagascar sy ny Fakiolten’ny EGS, oniversiten’Antananarivo.
Niofana sy nomena tantsoroka izy ireo mialoha ny famolavolana tetikasa, tao anatin’ny roa andro, amin’ny sokajy roa dia ny entrepreneuriat durable sy ny développement communautaire. Niatrika ny mpitsara sy nizara ny votoatin’ny tetikasany avy ny vondrona 15 nandray anjara. Mpianatra telo avy ao amin’ny toekarena, fitantanana ary sosiolojia no mandrafitra ny ekipa iray. Avy amin’ny L3 hatramin’ny M2 izy ireo, araka ny fanazavan’ny sojaben’ny Fakiolten’ny EGS, Pr Ramaromanana Andriamahefazafy Fanomezantsoa.
Nahazo ny loka voalohany ny tetikasa Bio communauté (famokarana biogaz sy zezika) ho an’ny sokajy Entrepreneuriat durable. Laharana faharoa kosa ny tetikasa vatsy (fampisakafoana ny mpianatra amin’ ny vidiny mirary). Ho an’ny sokajy Développement communautaire, nandrombaka ny laharana voalohany ny tetikasa Tahala (Fanamafisana ny fifehezana ny teny frantsay sy anglisy ho an’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ao amin’ny faritra Bongolava). Laharana faharoa ny E-Pratik (fanampiana ny mpianatra nahavita fianarana hirotsaka amin’ny sehatry ny asa).
Hotohanana avokoa ny tetikasa rehetra. Ny tetikasa roa isaky ny sokajy kosa no hahazo loka sora-bola sy fanohanana amin’ny serasera. Hampiana koa ny ekipa efatra nisongadina hanatanteraka ny tetikasany, ao anatin’ny 12 volana, hoy ny tomponandraikitry ny Impact ao amin’ny Orange Madagascar, Ranaivoson Valérie.
Tanjon’ny hetsika iarahan’ ny Orange sy ny fakiolten’ny EGS ny hampivelatra ny fahafahan’ny mpianatra misehatra amin’ny asa. Tsapa fa mahavolavola tetikasa mahomby ao anatin’ny fotoana fohy ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Manefy ny tanora ny sehatra tahaka izao hiatrika sedra.
Vonjy





