Antoko MMM : « Aoka hohamafisina ny tany tan-dalàna »

Nitohy tany Analanjirofo, tao Fenoarivo Atsinanana indray, ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nifampizarana tamin’izany ny fampiharana ny lalàna.

Nambaran’ny filoha nasio­naly Andrianainarivelo Hajo, fa miroso ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. « Efa misy ny vokatra fa tokony hamafisina ny fampiharana ny tany tan-dalàna. Namaly iny ny HCC fa azo tsaraina mitovy amin’ny olona rehetra eny amin’ny tribonaly ireo nanao kolikoly sy nanodinkodim-bolam-panjakana, rehefa voaporofo… Aoka tsy hisy hialokaloka amin’ny Fi­tsarana avo (HCJ) », hoy izy. Lasa lavitra kokoa aza ny MMM ny amin’ny hijerena ny momba ireo mpitondra teo aloha tany amin’ny 10 na 20 taona lasa ka ahitana porofo amin’ny kolikoly mba hotsaraina, araka ny lalàna.
Mbola nanamafy koa izy ireo ny hanadiovana ny tokotanim-pifidianana sy ny tsy hikarakaran’ny Ceni amin’izao endriny izao ny fanomanana re­hetra. «Hovahana aloha ireo olana nahatonga ny krizy niverimberina teto noho ny fifidianana. Tsy azo ekena ny lalàm-pifidianana efa niteraka korontana. Aoka ho sazina sy handraisana fepetra hentitra ireo mpan­gala-bato…», hoy ihany izy.
Ankoatra izay, nivoitra ta­min’ny fikaonandoha fa fifidianana manaja ny safidim-bahoaka hizorana mankany amin’ny fampandrosoana no ilain’ny vahoaka ao anatin’izao fanavaozana izao.

Faritra mahazaka tena

Nohamafisina koa fa ilaina ny fametrahana ny faritra ma­hazaka tena. Tokony havaozina hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ny fitantanam-bola, ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana; ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. « Zava-dehibe ao anatin’izany anefa ny fanovana ny toe-tsaina », hoy Andrianainarivelo Hajo.
Tsiahivina fa faritra faha-15 nanaovan’ny MMM ny fi­kaonandoha ny tao Analan­jirofo. Ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hetaheta eny ifotony tahaka izao ankoatra ny fandrafetana izany ho vinam-piarahamonin’ny antoko Malagasy miara-miainga.

Synèse R.

Partager sur: