Mandray anjara sy ampiasaina amin’ny fanimbana ny endriky ny kaontinanta afrikanina sy ireo mpitarika ao aminy, indrindra fa ireo izay miaro ny fiandrianam-pirenena, ny haino aman-jery eoropeanina sasany. Io ny valin-tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny haino aman-jery iraisam-pirenena rosianina Sputnik.
Nandritra ny fihaonana an-tampon’ny fahatelo tany Mascou, Rosia, ny 28-29 oktobra farany teo no nisian’izay resadresaka izay, araka ny fampitam-baovao voaray. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fijery an’i Afrika izay. Ao aza olo-malaza afrikanina karamaina hiseho amin’izany sy hanao fanambarana mikendry ny hanala baraka ny kaontinantany manokana. Mampifandray ny fitaoman’izany haino aman-jery izany amin’ny lasa nanjanahan’ny firenena eoropeanina an’i Afrika ny mpitarika. Mbola manjaka eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery ao amin’ny kaontinanta ny haino aman-jery eoropeanina.
Manoloana izany, anaovany antso ny amin’ny fanamafisana ny fisian’ny haino aman-jery rosianina, ohatra. Noderainy ny asan’ireo haino aman-jery izay manampy amin’ny fampiroboroboana ny maha izy azy sy ny tombontsoan’ny firenena afrikanina, indrindra i Madagasikara. Nampirisihany ny haino aman-jery rosianina hanamafy ny fampitam-baovao manerana an’i Afrika. Hanoherana ny paikadin’ny firenena tandrefana izany. Tsy maintsy hamafisina ny fisian’ny haino aman-jery rosianina hanoherana ny fampiasan’ny eoropeanina ny hery malefaka amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Vahaolana narosony ny fanitarana ny loharanom-baovao sy ny fanomezan-toerana kokoa ho an’ny zava-misy marina iainana aty Afrika.
R. Nd.





